Taorian’ny fidiran’ny vahiny teto Madagasikara, maro ny zavatra niova. Saika nahitana izany avokoa ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Amin’ny ankapobeny, nahita ny tsy fahita, naheno ny tsy faheno, nihinana ny tsy fihinany, nisotro ny tsy fisotrony. Nisongadina be io isaky ny mitotorebika amin’ny fetim-bahiny… Nibahan-toerana ny fibobohana toaka !
Raha ny voalazan’ny tantara, ny vahiny mpanao raharaham-barotra sy takalo, fahiny, no nitondra ny toaka teto Madagasikara. Tsy nijanona hatreo amin’ny fampisotroana ny Malagasy io rano maha mamo io ihany anefa ry zareo fa niezaka nampianatra ny fomba fanamboarana izany ihany koa… Iray amin’ireo paikady nentin’ny vahiny namotehina ny fiarahamonina malagasy ny fampiasana ny toaka raha ny fanazavan’ny mpikaroka momba ny tantara. Nomamoina, nobaboina, nobadoina… !
Ireto mpahay tantara ireto ihany koa no nilaza tao anatin’ny fikarohana nataony fa tsy tafiakatra teto Imerina ny toaka nandritra ny nitantanan’Andrianampoinimerina (1787-1810) ny fanjakana. Namoahany didy tahaka izao, teo Andohalo, izany fandrarana izany : «Izao no lazaiko anareo ambanilanitra ny toaka no tsy akariko an-kibon’ Imerina… Mahalasa adala anareo sy mahalany ny harenareo. Raha mamo ianareo, tsy mahefa na inona na inona, tsy mahalala tahotra ary tsy mahalala henatra. Ka raha misy misotro na mampakatra aty an-kibon’ Imerina, Matiko!”. Novalian’ny ambanilanitra tamina feo maredona nanao hoe : « Eny » !
Sarotra ho an’ny Malagasy sasany ny nitsipaka ny zava-bazaha
Maro ireo zava-bahiny tsy vitan’ny malagasy sasany ny nanohitra azy. Iray amin’ireny ny toaka. Nambaran’ny mpandalina ny fiarahamonina hatrany fa anisan’ny nandray anjara lehibe tamin’ny famotehina ny fiarahamonina malagasy izy io. Nampahantra Malagasy maro. Nanariana ny fomba amam-panao ary fahendrena nananana fahiny. Nampivarilavo mpiray tanindrazana an-tapitrisany, sns. Tsy ny fibobohana toaka ihany no sarotra tamin’ny ampahana Malagasy ny nanohitra azy fa anisany ihany koa ny ota fady samihafa.
Tsy nihinan-kisoa ny Malagasy (biby tsy nisy teto Madagasikara izy io fa nampidirin’ny vahiny) noho ny fahafantarany fa misy ny atao hoe lalam-panahafana. Saingy, rehefa nodokafan’ny vahiny fa tsara tsiro io biby io dia roboka. Tsy nihinana biby mitambatra rantsana (gisa, gana, dokotra…) ny Malagasy, rehefa nambaran’ny vahiny fa azo atao sakafo tsara ireny, dia roboka !…
Voky lainga noho ny tsy fahalalana
Diso tanteraka ny filazana fa ny Malagasy tsy maintsy mampiasa toaka rehefa hanao zavatra. Ny vahiny no nampiditra ny toaka teto, noho izany, tsy marina io. Talohan’ ny nidiran’ny toaka, fomba amam-panao tsy tambo isaina no notanterahin’ny Malagasy tsy nampiasana ny toaka. Maro be tahaka izany ireo toerana na « zavatra » fady toaka eto Madagasikara. Saingy, vokatr’io fomba fijery nateraky ny tsy fahalalana sy fihinanana amam-bolony io, voky lainga ny ampahana Malagasy.
Nanjary reharehan’ny Malagasy sasany ny « mandry an-tatatra », ny mahavita manakorontana tokantrano, fianakaviana, fiarahamonina, sns. Ny sasany aza moa milaza fa « tsy fety ny fety raha tsy misy toaka ». Soa ihany fa « fety » no voalaza eto fa tsy « lanonana » !
HaRy Razafindrakoto