Nikarakara hetsika lao-bary an-dasy ho an’ny olona manana fahasembanana ny ONG Merci, omaly, tetsy Faravohitra. Nampitondraina ny lohahevitra hoe : “asa mendrika ho an’ny olona manana fahasembanana, manome lanja ny zony hiasa mitovy amin’ny olon-drehetra”.
Misedra olana maro eo amin’ny sehatry ny asa ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Anisan’ izany, ny fotom-pisainan’izy ireo voakolokolo hangataka sy hisitraka lava. Mbola manana fomba fijery manambany sy tsy matoky azy ireo ihany koa ny orinasa sy ny mpampiasa. Antony mahatonga ny fiainana tsy mivoatra hoy ny tompon’andraikitra, Rakotoarisoa Holiniaina, tale mpanorina sy mpanatanteraka ny ONG Merci. Karazana asa toy ny “entrepreneur”, miasa amin’ny orinasa, mpamboly, mpampianatra sns ireo olona manana fahasembanana. Afaka manatanteraka ny asa sahaniny izy ireo na dia eo aza ny sakana eo amin’ny toe-batany. Ilaina fanampiana avy amin’ny orinasa anefa izany mba hisitrihan’izy ireo asa mendrika. Tanjon’ny hetsika ny hanangonana ireo fehin-kevitra momba ny olana sedrain’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Mba hanolorana vahaolana mifanandrify amin’izany. Hisy ny tatitra amin’ny antsipirihany sy fitondrana teny eny anivon’ny fitondram-panjakana aorian’ny hetsika. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa Voizo CBID Analamanga ny hetsika. Marihina fa mbola ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana, ankalazaina isaky ny telo desambra izy ity. Tonga nanatrika izany, ny avy ao amin’ny ministera sy orinasa maro ary ny fikambanana iraisam-pirenena “PTF” sns.
Mino (Mpianatra Asa)