Misy maro, arakaraky ny fahefa-manaon’ny tsirairay ny fety hamaranana ny taona 2022 sy handraisana ny 2023. Ankoatran’ireo hisafidy ny hijanona an-trano miaraka amin’ny fianakaviana, ireto misy tolotra maromaro iarahana amin’ireo mpanakanto malaza ,ny alin’ny 31 desambra.
CCI Ivato –“Golden Hour”
Anisan’ireo fety malaza indrindra hamaranana ny taona ny “Golden Hour”, izay hatao eny amin’ny CCI Ivato. Fantatra mantsy fa efa lany tanteraka ny tapakila rehetra, 4 andro mialoha ny fotoana. Ireo tsara vintana efa nahazo mialoha kosa dia hiaraka hiaina ny mozika alahatry ry Jay Taxx sy i Shinchan, ankoatra ny fanafanana sehatra hataon’ny Album Music.
Carlton Anosy – Jaojoby
«The Prestigious time ». Io no nampisalorana ny fiarahana etsy amin’ny Hôtel Carton, Anosy. Hampiaraka ny talentany i Jaojoby sy ry Faniry Tanà Groupe, mba hanome izay kanto indrindra hotsaroan’ireo hisafidy hanatrika izany. Samy hanana ny anjarany, fa hisy ihany koa ny fiarahana, raha ny filazan’ny mpikarakara. Mbola hitondra ny talentany amin’ny fikosehana kapila ihany koa i Cyemci eny antsefantsefany eny.
Yandi By Pass – Malm sy Tence Mena
“Luxury Night” kosa ny anaran’ny hetsika eny amin’ny Yandi By Pass, izay hanomboka amin’ny 8 ora alina. Hiantoka ny fampandihizana amin’ny ankapobeny ny Zandry Mozika. Hanana ampaham-potoana betsaka hampiakarana ny hafananana kosa ry Malm Martiora sy ry Tence Mena.
Hôtel 5 Etoiles Ivato – Tovo J’Hay
Efa ela no tsy nisy izany “réveillon niaraka tamin’i Tovo J’Hay izany. Manome fotoana ireo mpankafy azy, eny amin’ ny Hôtel 5 Etoiles Ivato izy amin’io alin’ny asabotsy io. Ny orikesitra Top Melody no hiray tantana amin’i Tovo J’Hay amin’ ny fanafanana ny fotoana mandritra izany. Fanomanany sahady ny taona 2023, izay hanamarihany ny fiverenany amin’ny sehatra lehibe ihany koa ity fetin’ny faran’ny taona ity.
Espace Jeanni – Iraimbilanja
Maromaro ny fiarahana tamin’ny tarika Iraimbilanja tamin’ity taona ity. Nanomboka tamin’ny cabaret izany, hatramin’ny seho goavana. Mbola hafa koa anefa ny fiarahana amin’ny fetin’ny faran’ny taona, toa izay hatolotry ry Batata sy ny tariny amin’ny alahady izao, eny amin’ ny Espace Jeanni, Lazaina Avaradrano. Ny hiran’ny tarika mazava loatra, fa hisy tombony kely izany satria malalaka kokoa ny fotoana. Ankoatra izay anefa, hifandimby sehatra amin-dry zalahy eo ry Tina Calin & Co, amin’ny fampandihizana.
Rilatsio By Pass – Nate Tex
Anisan’ireo mpanakanto elaela tsy heno ihany koa i Nate Tex. Hafaliana hoan’ireo mpankafy kosa ny nahafantarana fa hisy ny fiarahana amin’ity mpanakanto ity ny faran’ ny taona izao. Eny amin’ ny Espace Rilatsio By Pass ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ireo hirany be mpankafy i Nate Tex, hoelanelanin’ny fampandihizana hataon’ny Lalah Orchestra sy i Deejay Natty.
Espace Myrah – Samoëla
Ny orikesitra Tana Group sy i Samoëla no hifarimbona mandritra ny “Magic Night”, izay hatao eny amin’ny espace Myrah Ambatomaro, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Rehefa avy nihodina fotoana elaela tany ivelany, mamarana ny “Bandy akama Tour” eto an-tanindrazana i Samoëla, ka manome fotoana ny mpankafy azy amin’ ny alahady. Mpampandihy anisan’ny manana ny lazany eto an-tanana ihany koa no hiaraka aminy.
Grand Hôtel Urban – Serge Ramiandrasoa Band
Izy ireo ihany no nanome aina ny takarivan’ny Noely, tao amin’ny Grand Hôtel Urban, etsy Ambatonakanga. Mbola hiverina ao ry Serge Ramiandrasoa Band amin’ny alahady izao, hanome fahafaham-po manokana ireo tena mpankafy mozika. Anjorian’ny mozika, manomboka any amin’ny bà gasy, mandalo ny jazz, ny hira vahiny sy Malagasy nalaza tamin’ny fotoanany, sns, no alahatr’izy ireo mandritra izany. Mahalala tsara ny Serge Ramiandrasoa Band ireo efa zatra ny toerana raitra toa ny Grand Hôtel Urban.
Mangily- Njava & Friends
Vory eto an-tanindrazana ry Njava! Nisafidy ny any Mangily, Toliary kosa izy ireo, amin’ity fetin’ny faran’ny taona ity. Mozika Malagasy nitety an’izao tontolo izao, nampiavaka manokana azy mianadahy avy ireto no hatolony mandritra izany. Hifarimbona amin-dry Lala sy Monika ary ny tariny eo ireo mpampandihy toa an-dry Dj HG Boss, Dj Manlle, Dj Matias B. Arahina afomanga ny fiarahana, mba hahafeno ny maha fetibe azy.
Joseph D’Af – Espace Fenitra
“Réveillon” anaty fiderana ny “Rejoice”, izay iarahana amin’i Joseph D’ Af, etsy amin’ny Espace Fenitra, By Pass. Fiderana an-kira, fankalazana ary fizarana miaraka amin’i Pasteur Voahirana no hitranga mandritra izany. Hamerina ireo hirany rehetra nankafizan’ny maro azy i Joseph D’Af, ankoatran’izay hataon’ireo vahiny nasaina manokana mandritra ity fotoana ity.
Mr Sayda – Les Cygnes
Toerana tokana ihany no misy an’i Mr Sayda amin’ity “réveillon” ity: eny amin’ny Les Cygnes Maibahoaka Ivato. Hanentanany ireo mpankafy azy hanamboatra ny fandaharam-potoanany io. Hoan’ ireo tsy mahandry izany anefa, hisy ny fiarahana amin’i Mr sayda anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Aire du By Pass. Anisan’ ireo mpanakanto efa nandeha mialoha tany ivelany na nisafidy hanao fetin’ny faran’ny taona aty an-tanindrazana izy.
Nangonin’i Zo ny Aina