Toamasina : natelin’ ny ranomasina i Dada mpijibika

Ny mahay rano ihany no maty an-drano! Hita faty nan­tsingevan’ny ranomasina, omaly Ralaiarinosy Jean Marie 55 taona, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe i Dada mpijibika (mpisitrika) anaty ranomasina. Malaza ho mahay maka trondro anaty ranomamy sy ranomasina izy ary manan-talenta manokana momba izany. Izy rahateo ma­nana fi­taovana fampiasany rehefa misitrika any anaty ranomasina. Ha­tairana anefa ny an’ny re­hetra na­hita azy nantsingevan’ny ra­no­masina, omaly maraina. Raha ny fanadihadiana, ny talata antoandro teo izy no nisy nahita nilanja ireo fitaovana fampiasany rehefa misitrika anaty ranomasina ary any amin’ny “Ilot prune” no hanaovany izany. Izy rahateo efa zatra mandeha irery, araka ny fahafantaran’ny maro azy ao Toa­masina kanjo izao hita faty tampoka izao. ny fanadihadiana na­taon’ny dokotera nanao fizahana ny razana, mety ho vokatry ny tsy fahampian-drivotra tamin’ny boatin-drivotra nentiny nisitrika tany anaty ranomasina no nahatonga izao fahafatesany izao. Tsy mifidy hatelina ny ranomasina rehefa ankatoky ny faran’ny taona toy izao. Ho an’i Toa­ma­sina manokana, malaza ho maka olona hatrany ny ranomasina manamorona ny tobin’ny miaramila sy ny lycée Jacques Rabe­ma­­nanjara ary isan’ny lohalaharana ahitana fatin’olona maty an-dranomasina.

Sajo/J.C

Partager sur: