Bekily , Ampanihy, Betroka, Amboasary Atsimo: tokantrano 8 amin’ny 10 mitofezaky ny hanoanana

Fianakaviana amin’ny tokantrano maro ao amin’ ny distrikan’i Bekily, Am­panihy, Betroka sy Am­bo­a­sary Atsimo no manana olana amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa tena miaina ambany fetran’ny fahantrana tanteraka izy ireo raha ny tatitra niraisan’ny sehatra samihafa manara-maso ny fanjarian-tsakafo «Sécu­rité Alimentaire Nutrition et Alerte Précoce».

Raha ny antontanisa dia tokantrano 8 amin’ny 10 ao amin’ireo distrika ireo no tena hianjadian’ny hanoanana. Ireo tokantrano ireo dia zara raha mahita hanina hohanina. Mihamafy io ta­han’ny hanoanana io. Na mahita aza ireo mpiray ta­nindrazana ireo dia tsy mihinana afa tsy vo­amaina sy voly mamody vitsivitsy ampiarahana amin’ny legioma sy ravin’ anana. Ao amin’ny faritra Atsi­mo manontolo dia sa­my ahitana io olana ara-tsakafo io avokoa. Ny ao To­liara II dia tokantrano iray amin’ny roa no tena misedra olana ara-tsakafo. Iza­ny dia noho ny tsy fisian’ny tahirin-tsakafo intsony sa­tria lany alohan’ny fotoana novinavinaina ny sakafo.

Tsy maintsy miankin-doha sy mividy amin’ny tsena ao an-tanàna izy ireo raha te hihinana. Na izany aza, navoakan’ny tatitra fa 4% amin’ny tokantrano ao Toliara II ihany no tena nahatsapa izany hanoanana izany. Ao amin’ity distrika ity no ambany ny tahan’ny tokantrano sahirana ara-tsakafo.
Raha ny nambaran’ity tatitra sy fampitam-baovao ity dia iharan’ny hanoanana tanteraka ny ao amin’ny distrikan’Ambovombe satria tokantrano roa amin’ ny telo no iharan’izany. Ao Betroka sy Amboasary dia tokantrano iray amin’ny telo no hianjadian’ny ha­no­anana. Ireo tokantrano ireo dia tsy mahita hanin-kohanina ary matetika no tsy mihinana na mandry fotsy noho tsy fisian’ny sakafo sy ny vola ho enti-manana hividianana sa­kafo.

Tatiana A

Partager sur: