Tao anatin’ny herintaona, nahatratra 817 096 940 tapitrisa Ar ny vidin’ireo entana lany daty nodoran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny indostria. Tsy fanajana ny fenitra tokony arahina ho an’ny mpanjifa, tafiditra anatin’ny tanjona napetrak’ity ministera ity ny famongorana ireo entana ireo. Anisan’ny karazan’entana sarona niparitaka saingy efa lany daty ny paty, menaka sakafo hatramin’ny legioma amin’ny boaty. Mitarika tsy fahasalamana ho an’ny mpanjifa avy hatrany nefa ny famarotana azy ireny ka nahatonga fanagiazana. Raha atsidika, vao andro vitsy lasa no nahatrarana fanafody lany daty tamina boritra an-jatony tao Ambovombe. Nodoran’ny tomponandraikitry ny varotra sy ny indostria ao an-toerana avy hatrany ireo entana ireo. Manentana ny mpivarotra hanaja ny fenitra eo amin’ny vidin’entana kosa ny ministera indrindra izao akatoky ny vaninandro fety izao.
Tsiferana R.