Fahatongavan’ny taona vaovao: nirary soa ho an’ny Malagasy ny filoha teo aloha Ravalomanana

Efa niarahaba sahady ny ma­lagasy amin’izao hahatongavan’ny taona vaovao 2023 izao ny filoha teo aloha, Rava­lo­ma­na­­na Marc. Nirary soa sy fa­hom­biazana sy fanantenana ho an’ny vahoaka tenany. Nian­tso­any koa mba tsy ho kivy na ho ketraka fa mbola hisy fararany izao. “Manàna fanantenana ary minoa fotsiny ihany fa aza ma­tahotra. Ilaina ny fahasahiana mijoro hatramin’ny farany”, hoy izy. Nirary sahady ny taona vaovao ho an’ny malagasy rehetra mba hieren-doza ny tenany.

Tranga miseho eto amin’ny firenena
Niaiky ny filoha teo aloha fa tena mafy sy sarotra ary ma­na­hirana izao tranga miseho eto amin’ny firenena izao. Misy ireo tsy afaka misakafo na tsy mba afaka ny hividy izany. Tsy afaka miteny na miantso ihany siangy tsy misy mpihaino. Ao ireo enjehina sy gadraina na a­m­pijaliana sy vonoina. “Ho en­tin­tsika am-bavaka avokoa iza­ny rehetra izany, amin’izao ta­o­na vaovao izao”, hoy ihany izy.
Na izany aza, mbola hanana ny hambarany izy amin’ny fiandohan’ny taona 2023 eo, hametraka ny tombana sy ny toromarika rehetra, hiatrehana ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: