Fiara vaky kodiarana: olona enina naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Manakazo, fokontany Tsirarazana, kaominina Ankazobe, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy iray mampitohy an’i Sambava sy ny Renivohitra. Vaky tampoka ny kodiarana aoriana an’ilay taksiborosy ka nidaboka tamin’ny arabe ny fiara. Vokany, naratra ny mpandeha miisa enina tao anatiny. Zazakely vao roa taona monja ny iray tamin’izy ireo. Tsy nisy ny aina nafoy. Taorian’io, tonga teny an-toerana ny zandarimaria ka nalefa vonjimaika any amin’ny hopitaly Ankazobe sy eto an-drenivohitra ireo naratra. Misokatra ny fanadihadiana.

Henintsoa H.

Partager sur: