Inde sy Madagasikara: miara-miasa ho fampandrosoana ny sehatra indostria

Mifanome tanana amin’ny fampiroboroboana ny Taninketsa Indostrialy i Inde sy Madagasikara. Nandray ny masoivoho vaovaon’i Inde, SE Bandaru Wilsonbab, ny minisitra Razafindravahy Edgard, misahana ny fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC) ny 29 desambra2022.

Tsapan’ny ministra Ed­gard Razafindravahy tamin’ny fitsidihany ta­ny an-toerana, ny lanjan’ny fandrosoan’ny firenena indiana eo amin’ny lafiny maro, indrindra ny indostria. « Afaka miara-miasa sy mifanohana tsara i Inde sy i Madaga­sikara mampandroso io sehatra indostrialy io», hoy ny ministra. Misy ny atao hoe Khadia India, any Inde, karazana indostria isa-tanàna (in­dustries villageoises) mitovitovy amin’ny ODOF (One District One Factory) ataon’i Madagasikara ankehitriny.

Efa mivelatra amin’ny lafiny maro ankehitriny ny indostria, ary manana traikefa sy fitaovana rehetra i Inde, izay no ilàna fiaraha-miasa hampiroboroboana ny ODOF. Mila indostria kely aman’arivony i Madagasikara, ahafahan’ny tantsaha manodina eo an-toerana ny vokany.
Ohatra, mila indostria manodina voatabia, ovy, voankazo isan-karazany, kafe, fary, voanjo mba hahafahan’ireny vokatra ireny voahodina sy azo tahirizina fa tsy ho lo fotsiny na voatery amidy mora. Toy izany koa ny fihariana lavanila, tsara raha misy orinasa mpanodina (extraction).
Tsy fahampian’ny angovo no lesoka lehibe
Tsapa anefa fa ny tsy fahampian’ny angovo no anisan’ny lesoka lehibe amin’ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara. Izany in­drindra no anisan’ny antony nisafidianana ny orinasa kely isaky ny tanàna, tsy mitaky angovo matanjaka, afaka mihodina amin’ny milina mandeha amin’ny solika sy he­rin’ny masoandro (hybride).
Namaly moa ny Amba­sadaoro fa hijery haingana ireo mpanamboatra milina ho an’ireo indostria izy ary asainy mifandray mivantana amin’ny tompon’andraikitra eto Madagasikara. Ny angovo azo havaozina koa dia ananan’ny firenena indianina traikefa ambony ka vonona izy hampandroso ny fiaraha-miasa.
Manana fikasana koa ny masoivohon’i Inde hametraka tetikasa hahafahana manampy sy manohana ny orinasa madinika sy salantsalany. Nampa­hatsiahy izy fa ny fanamafisana ny fahaiza-manao (renforcement de capacités) dia mitohy hatrany.

Miroborobo ny fifandraisana ara-barotra
Miroborobo hatrany koa ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy i Inde, araka ny nambaran’ny masoivohon’i Inde.
Anisan’ny sangany amin’ny famokarana fanafody, in­formatika, fampianarana i Inde, ary manana tombon-dahiny amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary i Madagasikara, toy ny lavanila sy ny nikela.
Vary 200 000 taonina izao afaran’i Madagasikara, mbola tsy tonga daholo. Ka mangataka ny fanjakana malagasy mba tsy handoavana tataon-ketra 20%. Nilaza ny ambasadaoro fa hanao izay tokony hatao mba tsy handoavan’i Madagasikara izany tataon-ketra izany.

Ndrina

Partager sur: