Malagasy ho any Chine: niova ny fepetra ara-pahasalamana arahina

Nanazava ny amin’ ny fitsipika ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ho an’ny mpandeha avy eto Madagasikara ka hihazo an’i Chine, ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana.

Manomboka ny 8 janoary 2023 izao, ireo mpandeha fiaramanidina hihazo an’i Chine dia tsy maintsy manao fitiliana test PCR, 48 ora mialo­han’ny handraisany ny sidina mivantana avy eto Madagasi­kara ho any Chine.
Ireo nahitana soritr’aretina Covid-19 nandritra ny fitiliana dia tsy afaka handray ny sidina raha tsy efa voaporofo fa sitrana sy mamerina manao fitiliana ara-pahasalamana in­dray. Rehefa azo ny valin’ny fitiliana ary tsy ahitana soritr’aretina Covid-19 intsony ny mpandeha iray dia tsy voatery hangataka code QR ara-pahasalamana ao amin’ny masoivoho sinoa intsony na ny consulat de Chine fa avy hatrany dia afaka mameno ny taratasy fanambaram-pahasalamana «Health Declaration» ao amin’ny ladoany sinoa amin’ny alalan’ny application WeChat, ny mpandeha, na koa amin’ny alalan’ny rohy https://htdecl.chinaport.gov.cn/htdeclweb/home/pages/healthDeclare/declare.html .
Safoana «scan» amin’ny alalan’ny telefona finday ny code QR miseho ao mialo­han’ny hiakarana amin’ny fiaramanidina. Tsy voatery ha­nao test PCR intsony ny mpan­deha tonga ao Chine rehefa mahafeno ireo fepetra ireo ary tsy voatery mandalo fihibohana ihany koa. Hen­ti­tra ry zareo Sinoa amin’ny fi­a­rovana ara-pahasalamana an­a­tin’ny sidina iraisam-pirenena miditra ao amin’ny fireneny sy ny tsy maintsy fanajana ny fepetra napetraka mandritra ny fidirana sy fahatongavana ao Chine.

Tatiana A

Partager sur: