Mamon-drongony : nidaroka sy nahafaty ny renibeny

Tra-tehaky ny polisy ilay zafikely voalaza ho nahavanon-doza ka nandatsaka ny ain’ny renibeny tao Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro.

Voasambotra, afakomaly, tao amin’ny fokontany Ambodimanga, distrikan’Ambatondrazaka ilay lehilahy voatondro ho namono ny renibeny. Mamon-drongony no nisetrsetra ary nidaroka io ramatoa be io ity zafikeliny ity. Araka izany, nampandre polisy ireo manodidina ka tonga nijery izany. Tsikaritra tamin’izay fa voatsatok’antsy ilay ramatoa be sahabo ho 74 taona. Naratra mafy izy sady very ra betsaka. Noentina vonjimaika tany amin’ny hopitaly Ambohi­ma­sina saingy tsy tana intsony ny ainy. Ilay zafikely voalaza ho nahavanon-doza kosa nosamborina sy nanokafana famotorana.
Nitarika ny fahafatesan’ilay ramatoa be ny tsatok’antsy teo amin’ny tratrany sy ny lohany. Namoy ny ainy izy ny andron’io ihany tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo. Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ity vono olona ity.

Namono sefo fokontany
Ankoatra ity, lavon’ny zandarimaria ao Ambatoboe­ny ny alarobia teo, ireo dahalo nahafaty ny sefo fokontany ao Tsinjorano Mangatelo, kaominina Ankijabe. Isan’ireo malaso ikoizana amin’ny halatr’omby, fanafihana mitam-piadina ary firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy i Rasta sy Rabiry. Manana do­sie maloto eny amin’ny zandary rahateo izy roalahy ka efa notadiavina fatratra. Araka izany, voasambotra ny alarobia teo izy ireo ary nanaiky hanondro ny toerana misy ireo namany. Tratra alina teny an-dalana nefa ireo zandary ni­tondra azy ka nanararaotra ni­tsoaka ireo malaso. Natao ny tifi-danitra hampijanonana an’i Rasta sy Rabiry saingy na­nohy ny diany hatrany izy ireo. Vokany, voatery nitifitra ny zandary ka lavo izy roalahy.

Henintsoa Hani

Partager sur: