Maherin’ny 50 taona ny WWF eto Madagasikara, mahita ny antsipiriany ny tokony hatao momba ny fiarovana ny tontolo iainana, ny biby sy ny zava-maniry amin’ny toerana misy azy : ala, ranomamy, ranomasina. Noho izay asany izay, antenaina hitombo 10 % ny vokatry ny jono azo ary ho tsara tahiry. Tanjona apetraky ny WWF ny hahatsara ny toekarena sy sosialy any ifotony.
Hahatongavana amin’izany, ohatra, ny fanarenana goavana ny ala honko any Manambolo, ary faritana ny toerana laharam-pahamehana hiarahana amin’ny fokonolona eny an-toerana sy ny fomba fanaraha-maso ny asa.
Mahita fa foto-piveloman’ny olona ny jono, koa napetraka eny an-toerana ny « lalam-pihariana trondro sy drakaka » mampidi-bola sy maharitra. Hatao tsara tantana noho izany ny ala honko sy ny Lamina fampandrosoana ny faritra Melaky. Havondrona ao anaty kaoperativa ireo mpanjono hanamafisana ny fahaiza-manao.
Avy amin’izay tetikasa izay, efatra izao ny vondron’olona ifotony (VOI) tafajoro, mitantana 8000 ha, ary efa mahita lalam-barotra any an-toerana izao ireo mpanjono mivondrona anaty kaoperativa telo. Notohizana izany mba tsy ho tapaka sy ampiharina any amin’ny faritra hafa.
Tanjona ny hanampiana ireo mpanjono, hampihatra fomba fiasa vaovao sy tsara, ary hahitan’izy ireo lalam-barotra. Fiarovana ny honko ihany no vahaolana. Miara-miasa amin’ny vondron’olona ifotony sy fiarahamonim-pirenena ny WWF manatanteraka izany.
Ndrina