Misafoaka ny Seces : mampiharihary ny fitsarana miangatra ny fanamelohana ny talen’ny Crou-A

Tsy nitsitsy fitenenana ny Seces sampana Antananarivo naneho ny alahelony manoloana ny fanasaziana tsy am-piheverana ny talen’ny Crou-A. Manaporofo ny fitsarana miangatra sy ny fampanjakana ny gaboraraka eny amin’ny oniversite ny zava-misy. Manaratsy endrika ny fitondrana
ny tranga toy izao, hoy ny Seces.

Mitroatra ny Sen­di­kan’ny Mpam­pia­natra-Mpika­roka sy Mpikaroka-Mpa­m­pianatra, Sampana An­ta­nanarivo (Seces), ma­no­loana ny fisamborana sy fampidirana am-ponja vonjimaika ny telan’ny Crou-A. Eo koa ny na­mo­ahan’ny fitsarana eto Antananarivo didy manameloka an’io tompon’andraikitra io.

“Tafintohina tanteraka izahay”, hoy ny Seces. «Fitsarana miangatra» sy ny «Toy ny gisalahy homan-ketsa ka izy mangalatra indray no avo vava», hoy ny fitenenana, ny fahitan’izy ireo ny zava-misy amin’ity raharaha ity.
Manaratsy endrika tan­­teraka ny fitondrana mijoro ankehitriny no sady zary lasa mampitombo ny tsy fahatokisan’ny vahoaka intsony ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra ma­hefa isan’ambaratongany ny trangan-javatra toy ire­ny. Ilaina ny fisorohana izany mba tsy hahazo laka eto amin’ny tanindrazana iombonana.

“Mila mijoro isika ho fiarovana ny fananana iombonana sady fananam-pirenena rahateo, toy ny tanin’ny oniversite sy ireo foibem-pikarohana nasionaly”, hoy ny Seces.

Manao antso avo amin’ ireo tompon’andraikitra manam-panahy eto amin’ ny tany sy ny firenena ny Seces mba hijery akaiky ny zava-miseho toy ireny sa­tria endrika iray itarafan’ny ambanilanitra ny zavatra iainana eto Madagasikara ny toy itony. Nankahery ny talen’ny Crou-A sy ny fianakaviany manontolo ary ireo mpiara-miasa aminy manoloana ny antsojay, ny tsindry hazolena sy ny fanararaotam-pahefana mihatra amin’izy ireo.
Niaro ny fananan’ny oni­versite ny talen’ny Crou-A

Marihina fa notendren’ny fitondram-panjakana mba hiaro sy hitantana ny toeram-ponenan’ny mpianatra eto amin’ny oniversi­ten’Antananarivo, ary ao anatin’izany ny «Domaine Ankatso, Cité Ambohipo, Cité Anjirodimy sy Ravi­to­to, Ambolokandrina, Am­ba­tomaro, Vonto­vo­ro­na,…» ny talen’ny Crou-A sy ny mpiara-miasa aminy.
Hitam-poko, hitam-pi­re­nena ny fanorenana tsy ara-dalàna ataon’ireo mpanani-bohitra ao amin’ny tanin’ny oniversiten’Anta­nanarivo.
Manontany tena ny mpa­nara-baovao fa toa mitazam-potsiny sa sanatria manome rariny ny fandikan-dalàna miharihary toy ireny ny tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany eto Mada­ga­si­kara ?
Mampametra-panontaniana hatrany koa, hoy ny Seces, ny andian’olona na tambajotra ao amin’ny fitsarana sahy namoaka didy hafahafa tahak’ireny. Iza no ao ambadika sy mpanohana azy ireo ?

Tatiana A

Partager sur: