Notanterahina teny amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny, ny zoma 30 desambra 2022, ny hetsika “Mizara hafalina”. Dihy vakodrazana, niarahana tamin’ny tarika Bakomanga, noravahana lalao sy fanentanana no naseho nandritra ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana sy ny hameloma-maso ny kolontsaina malagasy, ankoatra ny fifampizarana hafalina, hoy ny mpikarakara.
Anjaran’ny mponina teny Talatamaty sy Ambohidratrimo indray no nianoko ny hetsika “Mizara hafalina”. Ampitatafika, Ambohimangakely, Itaosy, Tsenan’i Mahamasina, Tsenan’Ambodin’Isotry, Tsenan’Andravoahangy, Talatamaty ary Ambohidratrimo. Ireo no toerana efa nandalovan’ny hetsika “Mizara hafaliana”. ” Niezaka mihitsy izahay manatona ny olona, izany indrindra no mahatonga ny hetsika ho amin’ny toerana be olona foana. Tanjona ny hampifaly ny vahoaka amin’ny alalan’ny dihy sy kolontsaina malagasy ao anatin’izao fety izao. Eo ihany koa ny fampahafantarana sy fameloma-maso ny vakodrazana malagasy”, hoy ny tompon’andraikitra. Nahafaly sy nahavarina ny olona ny seho nataon’ny tarika Bakomanga nandritra ny hetsika. “Efa maro loatra ny kolontsaina vahiny miditra eto amintsika amin’izao. Mahafaly ny mahita hetsika maneho ny maha Malagasy sahala amin’izao hahafantarana fa manana ny antsika ihany koa isika”, hoy i Réné, mponina eny Ambohidratrimo. Mbola hitohy any amin’ny faritra sy toerana hafa ny hetsika fa fanombohana ny tamin’ireo toerana ireo sy ny teto Antananarivo.
Lin (Mpianatra asa)