Mpianatra any ivelany : mitaky ny tohana avy amin’ ny fanjakana

Manao antso avo amin’ ireo tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny minisite­ran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika sy amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry ny vondron’ny mpianatra ma­ha­zo vatsim-pianarana any ivelany . Mikasika ny tsy m­bo­­la nandraisan’izy ireo izany ho an’ny taona 2020-2021.
Mampiara-peo anaty fa­nam­barana miaraka ny mpi­a­natra any Tunisie, Algérie, Indonésie, Russie, Chine, Cuba, Egypte ary Maroc.
Nisy anefa ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena tamin’ireo mpianatra tany Maroc nandritra ny fandalovany tany ary efa velom-bolo ireo mpianatra ka niandrandra izany vatsy izany.
Nohamafisin’ny filan-kevitry ny minisitra nivoaka ny 7 desambra teo ihany koa ny tokony handoavana io volan’ny mpianatra io saingy hatreto tsy mbola nisy akony. Nambaran’ny Cona­bex tamin’ireo mpianatra fa efa any amin’ny minisiteran’ny vola ny raharaha kanefa tsy mbola ahitam-bokany.
«Tena ilainay ny vola fanampiana avy amin’ny fanjakana hahafahana mi­ve­lona sy mamita fianarana, ny resaka fahasalamana, hofan-trano, sakafo…», hoy ireo mpianatra.
Vola avy amin’ny fanjakana, fanampiana ireo mpi­anatra mandranto fianarana any ivelany izay tokony ho­raisina isan-taona ity anaovana fitakiana ity. Mitentina 250 dolara isaky ny mpianatra izany.

Tatiana A

Partager sur: