“Raharaha CrouA”: Helohin’ny Mafami ny fibodoana tanin’ny oniversite

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Mpianatra ambaratonga ambony, mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly avy amin’ny faritanin’An­tana­na­rivo miray, omaly. “Ma­na­me­loka ny fibodoana ny tanin’ny oniversite izahay na inona antony na inona endrik’izany”, hoy izy ireo, tetsy Ambanidia. Niantso sy nanentana ny rehetra koa anefa izy ireo mba hanaja ny lalàna velona, indrindra fa ny tompon’andraikim-panjakana mitantana eny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Toerana famolavolana ireo ho mpitarika sy ho mpitantana rahampitso izy ireo, araka ny fanambarana. Angatahin’ny Mafami ny hamitana ny famaritana ny tanin’ny oniversite.

Etsy andaniny, nilaza ho vonona hiara-kiasa amin’ny fanjakana ho amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny tontolon’ny fitantanana ny toeram-ponenan’ny mpianatra koa izy ireo.

Na izany aza, nohitsin’izy ireo ny tokony hanitsiana na hanavaozana ny lalàna mifehy ny fitantanana eny anivon’ny anjerimanontolo. “Mba tsy hiseho ny mety ho fifanilihana andraikitra eo amin’ny fiadidiana ny oniversite sy ny ao amin’ny CrouA”, hoy ny Mafami.

Fifampitsabahana andraikitra
Notsiahivin’izy ireo fa saro-piaro amin’ny fananana iombonana eto amin’ny fa­ri­tanin’Antananarivo ity fikambanana ity amin’ny maha zanaky ny faritany azy ireo.
Ankoatra izany, mbola nohamafisin’ny Mafami ny tokony hampiharana ny tany tan-dalàna sy ny tsy tokony hifampitsabahana andraikitra eny amin’ny ambaratonga ambony. Mba tsy ho tonga amin’ny savorovoro tahaka izao ny raharaha ka hiteraka olana eny amin’ny oniversite sy ny firenena izany, araka ny fanambarana hatrany.
Tsiahivina fa niharan’ny sazy mihantona roa taona sy lamandy 15 tapitrisa Ar ny talen’ny CrouA, araka ny didim-pitsarana nivoaka, afakomaly. Anton’izany ny nandravany ny tamboho, tafiditra ao amin’ny tanin’ny oniversite, eny Akantso II.

Synèse R.

Partager sur: