“Andao mba hifanampy, rehefa tsy afaka hanome na inona na inona ny vahoaka ho hanina amin’ny fety isika: mba hampisakafoantsika filaminana izy”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Solonavalona Paolo, amin’ izao fetin’ny faran’ny taona izao.
Mba ny filaminana izany no ataony sakafo. Satria miakatra dia miakatra ny vidim-piainana, sahirana dia sahirana ny olona. Mba samy hampandefitra ny hambom-po amin’ny fametrahana izay fiatoana na fitoniana politika izay hiatrehana ny fety, handraisana amim-pilaminana sy amim-pitiavana ny taona vaovao 2023.
Efa sahirana ny olona noho ny tsy fandriampahalemana
Ho an’ny tompon’andraikitra sy ny mpanao politika rehetra, mangataka fitoniana ny tenany, araka ny nambarany. Satria io olona efa sahirana io fa tratran’ny tsy fandriampahalemana, ho tratran’ny rivodoza sy ny ranobe… Any atsimo izao, mikija ny orana. Enga anie izay orana mikija izay mba hahazoan’ny olona mamboly. Moa misy masomboly ve any?
R. Nd.