Tsy mbola niala tamin’ny trano fonenany ireo mponina eny Andohalo, ambanin’Ampahamarinana, raha ny zava-misy teny an-toerana, omaly. Herinandro mahery taorian’ny nametrahan’ny BNGRC sy ny Kaominina ny saina mena teny amin’ireo faritra atahorana hihotsahan’ny tany eto Antananarivo. Ho an’ireo mponina, tsy mahafoy ny hiala ao amin’ny trano fonenany izy ireo amin’ny ankapobeny. Tsy maintsy mipetraka eny satria efa eny ny trano na dia atahorana aza sy efa nisy ary ny olona maty vokatry ny fihotsahan’ny tany, hoy ny mponina nanontaniana. Miaina anaty tebiteby ny ankamaroan’izy ireo, ny loza rahateo tsy mampiomana. Misy ihany ny fepetra raisin’ ireo tokantrano vitsivitsy nanontaniana manoloana izany. Hamafisina ny tamboho, tapahina ny hazo, diovina sy esorina ny lobolobo amin’ny lakan-drano. Mba ahafahan’ny rano mandeha tsara sy tsy ihoatra amin’ny lalana. Samy mandray fepetra mifanandrify aminy ny tokantrano tsirairay avy. Hatreto, tsy mbola nisy fandraisan’ny fokontany na ny fanjakana andraikitra manoloana izany, hoy izy ireo. Nandalo teny amin’ireo fokontany voakasika izahay fa nihidy avokoa ny birao.
Fokontany Faravohitra
Tsy tafiditra ao anatin’ny faritra mena ny fokontany Faravohitra hoy ny tompon’andraikitra ao raha nanontaniana. Trano Ntaolo iray efa ela ao an-toerana no nianjera vokatry ny ora-nikija, tsy voakasik’izany ny toerana sy ny trano hafa.
Voakasik’ity fampitandremana ity ny fokontany 15 misy mponina 10.000 mipetraka eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy ny manodidina ka nametrahana saina mena.
Mino ( Mpianatra Asa)