Ao anatin’ny fankalazana ny faha -15 taonany ny fikambanana Madagaslam. Nanomboka ny desambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny volana desambra 2023 ny fankalazana. Maro ny vina sy hetsika miavaka kasaina ho tanterahina hanamarihana izany fankalazana izany amin’io taona io. Hisy ny famerenana ny fifaninanana andraisan’ny sekoly ambaratonga faharoa anjara. Fifaninanana izay efa nisy teo aloha saingy tsy nisy intsony taona vitsy lasa izay. Hisy foana kosa nefa ny hetsika efa fanao isaky ny andiany. Isan’izany ny “Festival Madagaslam”, ahitana ny fifaninanam-pirenena. Eo ihany koa ny hetsika nahaliana ny maro tamin’ity taona 2022 ity. Isan’izany ny hetsika “Slam Media”. Vinan’ny tompon’andraikitra ihany koa ny fampitomboana ny mpiara-miasa sy mpanohana ho tombontsoan’ny Slam malagasy.
Efa nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 9 desambra 2022 teo ny fankalazana. Nisy ihany koa ny fampirantiana natao teny amin’ny Ivotoeran’ny Kolotsaina Malagasy na IKM Antsahavola. Ity fampirantiana ity no nentina nanokatra ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanana Madagaslam. Fampirantiana sary maneho ny tompondaka hatramin’izay, ny akanjo sy sary famantarana nanamarika ny andiany nifandimby ary ny filoha nitantana ny fikambanana.
Lin ( Mpianatra asa)