Manomboka mafana ny andro eto AntananArivo. Ifandrombahan’ny olona rehetra ny fividianana akanjo manify, toy ny “t-shirt”, eny Analakely. Araka ny fanadihadiana, natao omaly, mahalafo “t-shirt” maherin’ny 50 eo ny olona iray amin’izao volana desambra izao. Manodidina ny 7 000 Ar hatramin’ny 25 000 Ar, ny vidiny iray amin’izany. Hita eny avokoa ny olona rehetra, saingy tanora no betsaka.
“Ny t-shirt misy marika eoropeanina ny tena mandeha. Ao koa ireo misafidy ny loko fotsy sy ny loko maitso miaramila”, hoy ny mpivarotra iray.
“Tiako ny manao t-shirt, sady mivarotra amin’ny tambajotran-tserasera aho. Afaka ahodiko t shirt vaovao ny tombombarotra azoko”, hoy i Tsilavina, mpianatra. “Ataoko fanomezana ho an’ireo zanako efatra miralahy ny antony hividianako t-shirt. Ny akanjo miloko fotsy na mainty no tian’izy ireo, tsy mifidy marika aho. Ireny akanjo somary kelikely antonona azy ireo no tena jifaiko” hoy i Dominic, raim-pianakaviana.
Marihina fa Arakaraky ny kalitaon’ilay akanjo sy ny marika eo aminy ny mamaritra ny vidin’ilay “t-shirt”.
Fitia (Mpianatra Asa)