Ambatovy: nanome rano fisotro madio

Noho ny tetikasa iray no­vatsian’Ambatovy vola 212 tapitrisa ariary mahery. Mpo­nina 450 mahery avy amina tokantrano 101 monina ao amin’ny vohitra enina manodidina ny toeram-pitrandra­han’Ambatovy, ao Mora­man­ga no misitraka rano fisotro madio ankehitriny. Nametra­ha­na paompy folo tao amin’ny tanànan’Ampielemana, An­­kazotokana, Ambato­main-ty, Ampangadiatrandraka, Be­hontsa ary Berano. Natao ny 15 desambra 2022 ny fanolorana izany tamin’ny fomba ofisialy, tao Berano. Nato­lotra ho an’ireo kaomity mpitantana ny paompy izay miantoka ny faharetan’ny fotodrafitrasa, tamin’io fotoana io koa ny “récépissés provisoires”. “Tsy voatery handeha lavitra intsony izahay rehefa matsaka rano ary mihena ny olana eo amin’ny lafiny fahasalamana, indrindra ny aretim-pivalanana. Manome toky izahay fa ho tsara tantana sy tsara kolokolo ireo paompy ireo satria efa nahazo fiofanana momba izany ny mpikambana”, hoy Jean Maurice, filohan’ny Fikambanana Fanirisoa Fivoarana, mitantana ny paompy ao Berano.

Fahaiza-manaon’ireo VOI

Miara-miasa akaiky amin’ ireo Vondron’olona Ifotony (VOI) Ambatovy amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana manodidina ny Toe­ram-pitrandrahany. Manohy hatrany ny fanohanany ireo mpikambana ao aminy amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Mpi­kambana 45 ao anaty birao mpitantana VOI fito manodidina ny Toeram-pitrandrahana no nomena fampiofanana momba ny fomba fitantanana fikambanana, ny fiaraha-miaina eo anivon’ny fikambanana sy ny teknika ampiharina rehefa manao fisafoana ala, tamin’ny volana novambra 2022 tao Moramanga. Niara-nisalahy tamin’izany fampiofanana izany ny Fari-piadidi­an’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (CIREDD) Moramanga.

Fanampiana vonjy taitra

Nanohina ny antso nataon’ny filohan’ny fokontanin’i Fierenana, ao Beforona, distrikan’i Moramanga koa ny tetikasa Ambatovy. Tanàna izay nitrangana haitrano, naharavana trano 13 tamin’ny volana oktobra 2022. Nanolotra fanampiana vonjy taitra misanda 5,5 tapitrisa ariary mahery ho an’ireo traboina Ambatovy, ny volana nôvambra 2022 lasa teo. Nahitana vary 390 kg, siramamy 98 kg, tsaramaso 98 kg ary menaka 59 litatra ireo fanampiana ireo.

Nangonin’i Ndrina

Partager sur: