Andraharo : mpitondra moto maty nifandona tamin’ny taxi

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Andraharo, ny alin’ny 31 desambra teo. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra scooter.

Nifandona tamin’ny ta­xi, namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny mpitondra moto iray tetsy Andraharo, afakomaly alina. Niaraka nisotrosotro tamin’ny namany io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny polisy. « Avy niasa tao amin’ny Galaxy izy. Niaraka tamin’ny namany teny Ankazomanga noho ny avy eo ». Rehefa nigadona ny tamin’ny 10 ora alina, nikasa hamonjy fodiana hihazo ny vady aman-janany ny lehilahy. Noho ny andro efa alina, nalalaka ny lalana ka nanararaotra nandeha mafy, hoy hatrany ny polisy. Tonga teo Andraharo, nifandona tampoka tamin’ny taxi ilay scooter. Vokany, nipitika lavitra
Minitra vitsy taorian’ny loza, tsy tana intsony ny ain’ilay mpitandro moto. Nijery ifotony ny tranga niseho teo an-toerana, nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Fantatra tamin’izany fa nisy fofon-toaka ilay mpitondra moto. « Tsy hitan’io lehilahy io ny fisian’ilay taxi, noho izy nandeha mafy ka nitarika ny loza », araka ny fanamafisan’ny polisy ihany. Nampatsiahy ireto farany fa tsy miaraka velively ny familiana sy ny fisotroana ka tokony hitandrina ny tsirairay hisorohana ny loza toy izao. Ankoatr’io, nifatratra tany anaty tanimbary koa ny fiara iray nandeha mafy tetsy amin’ny lalan’i Tsarasaotra, omaly tamin’ny 12 ora. Tsy nisy ny aina nafoy saingy potika tanteraka ilay fiara. Noentin’ny avy eo anivon’ny bataillon Médical Ampahibe etsy amin’ny HOMI ireo niharam-boina.

Tsiferana R.

Partager sur: