Boeny : mpanjono maro be nahazo « kit de sécurité »

Mitohy hatrany ny hetsika fizarana fitaovana, ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga. Notanterahina tany amin’ny faritra Boeny, ny fizarana fitaovam-piarovana an-dranomasina na “kit de sécurité en mer”. Nahazo ny anjarany ny mpanjono miisa 100, tao amin’ny fokontanin’i Antsohery. Hetsika izay no­tontosain’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Boeny, ny 29 desambra lasa teo.
Antony, mba ho fiarovana ny ain’izy ireo eo am-panatanterahana ny asany. Tafi­ditra amin’ilay tetikasa Swio­fish2, izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ity fampitaovana ity.
Tonga nanotrona ny lanonana teny an-toerana, ny tompon’andraikitra maro avy ao an-toerana. Isan’izany ny “Assistant parlementaire”, ny sefo distrika lefitra ny faritra Boeny, ary ny fikambanana Asity Madagascar.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: