Vita ny asabotsy lasa teo ny fifanaovan-tsonia, momba ny fifindran’i Cristiano Ronaldo (CR7), ao amin’ny klioba Al Nassr Arabia Saodita. Mahatratra, hatrany amin’ny 200 000 000 Euros isan-taona ny vola raisiny. Haharitra roa taona ny fifanarahan’ny roa-tonta, izay tsy ho tapitra raha tsy ny taona 2025. 38 taona i Ronaldo. Maro ireo klioba efa nilalaovany. Anisan’ izany ny Sporting SC Portugal, ny taona 2003. Nifindra tao amin’ny Manchester United ny taona 2004-2009. Nanatevina ny Real de Madrid tany Espaina (2010 – 2018), izay nahazoany ny “Ligue des champions d’Europe”. Tany Italia indray niaraka tamin’ny Juventus Turin ny 2018-2021. Niverina tao amin’ny Manchester United izy tamin’ny taona 2021 hatramin’izao nifindrany lasy any amin’ny ekipa saodianina izao. Efa in-dimy nahazo ny “ballon d’or” I Cristiano Ronaldo ny 2008, 2013, 2014, 2016, ary 2017. Efa voahosotra ho mpamono baolina be indrindra “soulier d’or”, ny taona 2008. Tsy mbola nahazo ny amboara eran-tany mihitsy izy. Na izany aza, izy indray izao no mpilalao mikarama lafo indrindra, maneran-tany.
Fitia (Mpianatra Asa)