Depiote Razakandrainy Dominique : “Ilaina ny fitoniana eo amin’ny fiainam-pirenena”

“Ao anatin’ny fitoniana sy fahatoniana no ahazoantsika miatrika ny fiainam-pirenena. Vita hatreo ny amin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Ny hoe misy fiantraikany na tsia: natao hakana lesona ireny raharaha ireny. Inona ny lesona tokony horaisin’ny solombavambahoaka sy ny mpanatanteraka?” , hoy ny depiote voafidy tany Sa­karaha tamin’ny anaran’ny IRD, Razakandrainy Henri Dominique.
Ny miantso fitoniana toy ny nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena no zava-dehibe. Hiditra amin’ny taona vaovao hiatrehana fifidianana. Ny foto-kevitra iraisan’ny depiote mpanohana ny fitondrana, efa nisy antso avo nataon’ny filohan’ny Anteni­miera ho amin’ny fitoniana. Tokony ho tony isika, tokony handinika sy hieritreritra lalina.
Ny fanohanana ny filohan’ny Repoblika kosa no foto-kevitra ijoroana mba hahazoana manohy sy manatanteraka an’ireo tetikasa marobe volavolaina hampandrosoana ny firenena. Tsara tadidin’ny vahoaka sy ny mpanao politika fa tetibola fanampiana avy any ivelany avokoa ny 70% amin’ny vola ampiasaina eto. Raha tsy misy ny fahamarinan-toerana, tsy afa-miantoka amin’ny fanomezana vola ireo mpiara-miombon’antoka any avy any ivelany.

R. Nd.

Partager sur: