Niarahaba sy nirary soa ny malagasy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga , Andrianainarivelo Hajo. Nambarany tamin’izany fa notahin-Janahary isika ka afaka handray ny taona vaovao. Niaiky ny tenany fa mbola nisedra olana maro sy fahasahiranana isika ny taona 2022. Na izany aza, tsy atao mahakivy izany fa tsy maintsy avadika ho hery lehibe sy handraisana lesona mba ho feno fahombiazana ny fiatombohan’ny 2023 ary ho feno fanantenana ny fiafarany, araka ny nambarany…
Natsidiny fa kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena ny taona 2023 ary miara-miaiky fa hotsarain’ny taranaka fara amandimby mafy dia mafy eto isika raha ny zava-misy ankehitriny no hotohizana. “Mila fahasahiana isika noho izany hiara hanetsika ny hambo-po; hanitsy famindra ary hiaina indray ireo soatoavina maha malagasy antsika : ny firaisankina, ny fihavanana ary ny fahasahiana no ilo hanazava ny lalantsika ka hanavao ny fiainana isan-tokantrano mba tena ho fiadanana sy ho henika fifankatiavana ny taninjanantsika”, hoy izy.
Hiova ho amin’ny tsaratsara kokoa
Tompon’andraikitra tandrify avy isika ary mbola ho tompon’andraikitra koa ka manana adidy hiova lalana amin’ny ho avy tsarasara kokoa. Maniry ny filoha nasionalin’ny MMM fa ho taom-pahasalamana ny 2023 ka afahantsika mihaona sy mifaly eo anilan’ny akaiky ny fontsika indray. “Hahatanteraka ny nofinofy sy ny faniriana ao anatintsika. Mamintsika i Madagasikara, tsy maintsy miarina ny taninjanaka”, hoy izy.
Synèse R.