Filoha Rajoelina Andry: nahavita be ny fanjakana, mbola betsaka ny hatao

Anisan’ny nanaovan’ny filoha Rajoelina Andry jery todika ny tamin’ny taona lasa. Eo koa anefa ny hiatrehana ny ho avy, araka ny nambarany tamin’ny lahateniny, ny asabotsy teo.

Anisan’ny nambarany ny fanavaozana ny fitantanana ny fananantany mba tsy hisian’ny fanararaotana. Ao anatin’izany ny fizarana kara-tany hatrany amin’ny roa tapitrisa, iarahana amin’ny Casef. Eo koa ny fanombohana ny fanamboarana ny lalambe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Ny nitokanana ny lalana Ambilobe – Vohe­mar sy ny nanombohan’ny lalana Ambanja – Antsiranana. Teo koa ny nitokanana ny la­lana Vohipeno sy Fara­fan­gana. Ho vita ny volana jona ny RN44, Moramanga sy Am­batondrazaka. Efa an-dalana ny fanamboarana ny RN13 sy ny mihazo ny any Beloha, Ampanihy, Betioky hatrany Toliary. Ny fametrahana ny fantson-drano, 97 km any Efaho, Taolagnaro ho tonga any Ambovombe. “Hanova sy hanoratra tantara any atismo isika”, hoy izy.
Tahaka izany koa ny hanamboarana ny RN2 sy ny RN4 ary ny RN7.

Ny simenitra sy ny siramamy…
Etsy andaniny, ho vita afaka roa taona ny ozinina mpamokatra simenitra 1 tapitrisa taonina isan -taona. hampidina ny vidin’ny simenitra ho 15000 Ar izany raha 40 000 Ar amin’izao fotoana izao. “Ozinina enina no hijoro hamokatra siramamy 143 000 t fanampiny ka tsy hanafatra izany isika afaka roa taona”, hoy izy. Hovokarina eto avokoa ireo filana andavanandron’ny vahoaka : menaka, lafarinina…
Na izany aza, niaiky ny filoha fa nisedra olana efa an-taona maro ny Jirama. Efa iainanana isan’andro izany ary henony ny fitarainan’ny va­hoaka. “Rariny raha mitaky vahaolana maharitra isika. Hohafainganina ny fametrahana foto-drafitrasa amin’ny alalan’ny angovo madio sy azo havaozaina”, hoy izy. Anisan’izany ny toby herinaratra amin’ny rano eny Ma­hi­tsy. Efa mihodina ny milina fahefatra any Andekaleka. Hi­ho­dina ny toho-drano any Ra­no­mafana. Efa vita sonia ny any Sahofika ary mizotra ny fanamboarana ny Man­draka III. Tahaka izany koa ny tetikasa Volobe sy ny any An­tetezambato.

Ikarohana vahaolana avokoa ny olana
“Ikarohana vahaolana avokoa ny olana mitranga. Mibaiko ahy ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka ka imasoana ny fanampiana ny vahoaka marefo sy sahirana. Ny tantsoroka ho an’ny tantsaha, tanora, vehivavy sy ny mpandraharaha”, hoy izy.
Notsiahiviny koa fa tsy nitsanga-menatra ny diplaomasia ka nampisongadina antsika ny fihaonana an-tampony sy ny fifampiresahana tamin’ny filoha Amerikanina sy ny Frantsay ary i Tonizia. Teo koa ireo mpamatsy vola toy ny avy amin’ny Fida, FMI, Onudi, Pam… “Midika fifampitokisana izany ary faharesen-dahatr’izy ireo noho ny finiavan’ny mpitondra amin’ny paikady fanarenena ny firenena”, hoy izy. Vokatr’ izany ny naha-tompondakan’ny fampiroboroboana ny in­dostria sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny filoha, aty Afrika. Anisan’ireo firenena hisitraka ny famatsiam-bolan’ny MCC an-dry zareo Amerikanina koa.

Synèse R.

Partager sur: