Filoha Rajoelina: nanome fanalefahan-tsazy ireo voafonja

Nisongadina nandritra ny kabary famaranana ny taona 2022 nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja.

Toy izao ny fitsinjarana izany, araka ny fanazavan’ny Filoha. Ho an’ireo nahazo sazy an-tranomaizina mandritra ny dimy taona no ho midina dia hahazo fanalefahan-tsazy eo anelanelan’ny telo volana ka hatramin’ny valo volana. Ireo izay voasazy an-tranomaizina nandritra ny dimy taona no ho miakatra dia hahazo fanalefahan-tsazy 12 volana. Ankoatra izany na­nome fanalefahan-tsazy ma­nontolo na “remise de peine totale” ihany koa ny Filoha Rajoelina. Ireto voafonja ireto no hisitraka izany : Ireo vehivavy 55 taona mihoatra sy lehilahy 60 taona mihoatra, voasazy noho ny heloka tsotra ary efa nanefa sazy dimy taona an-tranomaizina farafahakeliny. Ireo vehivavy 60 taona mihoatra sy lehilahy 65 taona mihoatra, voasazy noho ny heloka bevava ary efa nanefa sazy 10 taona an-tranomaizina farafahakeliny. Ny ankizy tsy ampy taona ka efa nanefa ny antsasaky ny saziny.

Jean Claude

Partager sur: