« Fonds souverain malagasy » : hitrandrahana ny harena eto an-toerana

Tsiahivina fa lany teo anivon’ny Antenimieran­doho­lo­na ny lalàna « Fonds souverain malagasy », natao indrindra hanomezan-danja ny sehatra rehetra eto Madagasikara. Trandrahina izay azo atao rehetra mba tsy hiankinan-doha any ivelany, na ao anatin’ny fanatontoloana aza ny toekarena eran-tany, araka ny nambaran’ireo loholona mom­ba ity tahiry ity.
Araka izany, avy amin’io «Fonds souverain malagasy» io ny hanohanana ny mpandraharaha, ny tantsaha, indrindra ny tanora hifehezana ny asa rehetra azo atao eto an-toerana. Atao ihany koa izay hitrandrahana ny harena eto an-toerana dia io no hoentina hamatsiana izay tetikasa rehetra fa tsy hiandrasana famatsiam-bola avy any ivelany lava.
Ohatra ny harena an-ki­bon’ny tany isan-karazany, anaty ranomasina, tontolon’ny fizahantany, sns. Misy Malagasy manam-pahaizana ara-teknika amin’ireo rehetra ireo fa ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany no anisan’ny ilaina hanovozana traikefa sy fandalinana amin’izay atao.

Ndrina

Partager sur: