Saron’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny faritra atsinanana, ny zoma tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina teo ny iray amin’ireo jiolahy ikoizana ao an-toerana. Voatondro ho isan’ireo nanao halatra miharo herisetra tao Ambolomadinika ny herinandro teo, ny tenany. Lasan’ireo totakely tamin’izay tokoa mantsy ny poketrana vehivavy lehibe iray. Ankoatra izay, mbola noratrain’ireo olon-dratsy ihany koa izy. Taorian’ny zava-nisy, nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Fantatra fa mbola nikonikonina fanafihana sy halatra tao Ambolomadinika ihany izy ireo. Napetraka arak’izany ny velam-pandrika, narahi-maso koa ireo jiolahy. Vokany, tratra tao amina trano iray fikonokononana ny asa ratsy ity mpanao fanafihana ity. Nohamafisin’ny polisy fa isan’ireo nandray anjara mivantana tamina halatra niseho tany an-toerana tatoato ity voasambotra. Mbola hitohy arak’izany ny hetsika sy fikarohana ireo namany tompon’antoka amin’ireo tsy fandriam-pahalemana ao an-toerana, halatra miharo vaky trano sy herisetra. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela kosa ity voasambotra ity.
Henintsoa Hani