Andavanandro avokoa ny maro amin’ireo andro tsy hiasana amin’ity taona 2023 ity rehefa narahina ny tetiandro. Tafiditra ho andro alatsinainy sy alarobia izy ireo.
Mitontona andro alatsinainy ny ankamaroan’ny andro tsy hiasana kanefa handraisana karama amin’ny taona 2023. Ny sasany milatsaka anaty andavanandro fa tsy toy ny tamin’ny taon-dasa, tafiditra andro alahady ny ankamaroany.
Anisan’ny andrasan’ny mpianatra sy ny mpiasa, ireo andro tsy hiasana ireo, rehefa fiandohan’ny taona toy izao. Hahafahana sahady manomana ny fandaharam-potoana sy hanaovana ny fandaminana rehetra izany.
Anisan’ny andro tsy hiasana akaiky indrindra ho an’ny andriambavilanitra ny andron’ny 8 martsa, izay andro alarobia amin’ity taona ity. Torak’izany ny andron’ny 29 martsa, hahatsiarovana ireo mahery fon’ny firenena (1947), izay homarihina andro alarobia ihany koa. Aorian’io ny andro Paska sy ny alatsinain’ny Paska, ankalazaina ny 9 sy 10 Aprily. Alakamisy kosa ny 18 mey, Ascension. 10 andro aorian’io ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ny 28 sy 29 mey.
Andro alatsinainy ny hankalazana ny fetin’ny fahaleovantena dia ny 26 jona amin’ity taona ity. Lavalava araka izany ny faran’ny herinandro amin’io. Talata kosa ny Assomption. Eo ilay fanirian’ny maro ny hanaovana tetezana ny andro alatsinainy ka tsy hiasana raha manaiky ny fanjakana.
Aorian’io, miasa tsy ankijanona ny volana septambra sy oktobra. Any amin’ny alarobia voalohan’ny volana novambra indray vao misy fihatoana kely satria Toussaint.
Mitontona andro alatsinainy avokoa ny Krismasy 25 desambra sy ny taom-baovao voalohan’ny volana janoary 2024.
Maro ireo orinasa sy fikambanana efa manomana sahady ny hetsika ao anatin’ ny taona ka mijery sy manaraka ireo andro tsy hiasana ireo ahafahana manainga ny mpiara-miasa sy ny mpiray fikambanana ka manao ho zava-dehibe ny fanarahana ny tetiandro dieny ety am-piandohan’ny taona.
Tatiana A