vidim-piainana: antony avy any ivelany no mampidangana azy

Namoaka ny vinavinany ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola momba ny fiakaran’ny vidim-piainana tamin’ny volana jiona 2022. Taorian’ny fandanian’ny depiote ny tetibolam-panjakana 2022 nasiam-panitsiana no nivoahan’izany.

Manamafy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola fa noho ny antony avy any ivelany no tena nampidangana ny vidim-piainana. Izany dia noho i Madagasi­kara manafatra entana, toy ny solika sy ireo kojakoja samihafa ilaina amin’ny tsena eto an-toerana. Nanatombo ny vidin’ireo rehetra ireo, ary mbola hafa ny kajy nataon’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) momba ny toekarena eto Madagasikara. Ny nahitana fisondrotana betsaka dia ny PPN, solika, fitaterana, sy herinaratra (Jira­ma). Amin’ity taona 2023 ity, tokony hijanona manodidina ny 7 % izany hatramin’ny faran’ny taona, raha ny fahitan’ny Banky foibe azy.

Amin’ny ankapobeny niakatra 9,2 % ny vidim-piainana, araka ny tarehimarika avy amin’ny Instat (Institut national de la statistique). Na izany aza, raha nisy fisondrotana ny lafarinina sy ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, 8 % ny fiakaran’izany tamin’ny faran’ny taona teo. Ny PPN kosa 7,7 % ; zava-pisotro tsy misy alikaola, 10,2 %. Ny fitsaboana 7,4 % ary ny vary manokana amin’ny tsena eto an-toerana 3,7 %. Araka ny nambaran’ny Instat ihany, ny tena nahitana fisondrotana betsaka dia momba ny trano (fanorenana, fikojakojana, hofany, hetra), 31,6 %.
Ratsy fari-piainana

Kajy novinavinaina tany am-boalohany 6,4 % ny fisondrotry ny vidim-piainana, sain­­gy noho ny zava-misy eto an-toerana, toy ny lalan-dratsy sy ny tsy fahampian’ny herinaratra, tafakatra 9,3 % izany. Marihina fa tarehimarika ofisialy ireo fa tsy izay ny fahitan’ny vahoaka azy, fa nitombo avo roa na telo heny ny fisondrotana amin’ny an­ka­pobeny.
Etsy an-daniny anefa, mi­tombo hatrany ireo tsy misy asa sy very asa, mihena koa amin’ny ankapobeny ny fidiram-bolan’ireo mpiasa tena. Fehiny : ratsy fari-piainana ny ankamaroan’ny Malagasy.

Ndrina

Partager sur: