Anisan’ny volana mafy indrindra amin’ny tokantrano Malagasy ny volana janoary. Matetika, lany nanaovana fety ny vola ka lasa mafy ny iatrehana ny fiainana eo. Fanomezana fahafaham-po ny ankohonana, mifety toy ny olon-drehetra, mihinana hanim-pitoloha, mianjaika, manao fandaniana tsy am-piheverana…Izany no mandany ny vola noraisina ny faran’ny volana desambra ka tsy misy iainana intsony.
Maro ireo tsy maintsy midi-trosa. Vao manomboka ny taona dia trosa no isantarana azy ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano. Tsy maintsy hefaina ny hofan-trano, saram-pianaran’ny mpianatra, vidin-jiro sy rano… sakafo isan’andro tsy maintsy atrehina.
Trosa misy zanany amin’ ny mpampanjana-bola nefa no matetika hitan’izy ireo ka tsy maintsy tratran’ny fanararaotana.
Ny sasany kosa mivaro-panana mihitsy no hany vahaolana ahafahana miatrika ny volana janoary manontolo. Amidy indray ireo efa nohariana nandritra ny taona. Manaporofo izany indrindra ireo mpivarotra entana efa niasa etsy 67Ha. Be dia be ireo olona tonga eny mivarotra fanaka sy kojakoja ao an-tokantrano fa tsy manam-bola. Raisina mora anefa izy ireny fa tsy toy ny nividianana azy tamin’ny vaovao.
Hatramin’ny fandriana, vilany, fahitalavitra, seza sy latabatra, radio….amidin’ny olona eny avokoa. Eny Ampefiloha kosa no ivarotan’ny olona ny lamba satria tena misy ireo mivarotra ny akanjo eny an-kodiny havadika vola hihinanan’ny ankohonany sakafo.
Tatiana A