Brickaville : Trano 34 nirehitra, olona 149 tsy manan-kialofana

An-tapitrisa maro indray levon’ny afo nandritra ilay hain-trano goavana tao Brickaville,
omaly maraina. Fianakaviana 68 tra-boina.

Nijoalajoala ny afo tao amin’ny renivohitr’i Brickaville, omaly tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Nitrangana hain-trano goavana tao an-toerana, tsy lavitry ny toeram-pivarotana satra. Vokany, trano 34 indray kilan’ny afo, trano 10 hafa kosa voatery narodana. Olona miisa enina may sy naratra nandritra ny loza. Ankehitriny, fianakaviana maro tsy manan-kialofana. Mahatratra 149 isa ireo tra-boina.
“Niainga tamina tokantranona mpivady nifamaly ny afo”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tsy hita popoka anefa izy mivady. Ny trano may efa nirehitra kosa no hitan’ireo mpifanila-bodirindrina taminy. Raikitra ny antso vonjy, naneno ny kiririoka. Nihitatra vetivety anefa ny afo ka nahazo ireo trano teny amin’ny manodidina. “Mbola kelikely ny afo fa mandra-pitenenako hoe tapaho ny kaontera efa nijoalajoala tanteraka izany ary efa nahazo ny tranoko sy nandoro ny entako”, hoy ny fanazavan’ny tra-boina iray.

Nifarimbona
Tsy nipetra-potsiny nijery ny voina ny rehetra fa niray hina namono ny afo. Tao koa ireo niantso ny sampana mpamonjy voina. Nananosarotra anefa ny fifehezana ny afo, naharitra ora maro vao levona tanteraka izany. Nifanakaiky ny akamaroan’ireo trano sady vita amin’ny hazo avokoa ka mora mandray afo, hoy hatrany ny fanazavana. Nandritra izay, olona miisa enina no may sy naratra saingy nahazo fitsaboana vonjimaika sy maimaom-poana ary tsy ahiana intsony ny ainy. Tsy nisy ny aina nafoy. Etsy ankilany, may tao anatin’ny indray mipi-maso ireo harena nohariana hatramin’izay. Maha­tratra an-tapitrisa maro ny fahavoazana. Araka izany, manao antso avo amin’ny fitondrana mahefa ny olom-boafidy ao an-toerana mba hijery akaiky ireo tsy manan-kialofana. Betsaka ireo olona tsy nahatafavoaka ny entany, noho izy ireo, mbola tao anatin’ny torimaso. Ankehitriny, fianakaviana 68 tsy manan-kialofana ary olona 149 may fanànana. Napetraka tamina toerana voatokana ireo may trano taorian’izay.

Henintsoa Hani

Partager sur: