Fotoanan’ny fivorivoriana sy ny fitangoronana ny volana janoary, hifamotoanan’ny mpianakavy sy ny fikambanana manao fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Mila mailo hatrany anefa satria mbola miparitaka eny amin’ny fiarahamonina ny aretina Covid-19. Mila hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny aretina.
Anisan’ny tena saropady ireo ankizy madinika sy ny zokiolona ary ireo vehivavy bevohoka, indrindra ireo manana aretina mitaiza. Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo izy ireny. Tsy voatery hanatrika fivorivoriana ireo olona marefo ho fiarovana ny ainy.
Mamely ny areti-mifindra toy ny gripa mahery, izay toy ny fisehon’ny Covid-19 ihany. Manaporofo izany ny habetsahan’ny olona tonga mamonjy tobim-pahasalamana efa an-jatony isan’andro. Ny ankizy sy ny zaza no tena lasibatra. Na izany aza, misy koa ireo olon-dehibe tratra.
Mikohaka sy voan’ny sery, marary an-doha, manavy sy tsy mazoto homana…Toy izany ny fitrangan’ny aretina. Misy vaky mandoa na mivalana ny sasany ary vetivety dia reraka ny marary. Misy ireo tsy maintsy miditra hopitaly hamonjena ny ainy satria lasa sempotra, mikorontana hatramin’ny tosidra…
Taorian’ny fety ihany koa dia maro ireo tsy mahazaka karazan-tsakafo ka mihetsika ny “allérgie”. Miakatra ny tahan’ny siramamy, mikorontana ny taova sasany. Misy koa ireo tsy mahazaka fofon-tany noho ny filatsahan’ny orana tampoka ka mihetsika ny sohika.
Tatiana A