“Tiako ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Mampitombo ny isan’ny mpifidy io”, hoy ny depiote voafidy tany Morafenobe tamin’ny anaran’ny RPSD Vaovao, i Voninahitsy Jean-Eugene.
Satria araka ny fomba fitenin’ny olona hoe tsy mivaky loha amin’iny faritra misy an-dry zareo iny ny fitondrana nifandimby hatramin’izay. Ny antony dia tsy misy mpifidy, hono, ny any amin’ny faritra Melaky. Misy fiantraikany na ho an’ny mpifidy na ho an’ny mpirotsa-kofidina any an-toerana ny fanomezana karapanondrom-pirenena faobe sy ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, araka ny fanazavany.
Hatramin’izay, manao fampielezan-kevitra ny mpanao politika sy ny mpirotsa-kofidina: mahita ny maro mihorakoraka manatrika izany dia hoe voafidy ny kandidà na izay tohanana. Nefa avy eo tsy misy mifidy ny olona, fa tsy voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny ankamaroan’ireo tokony hifidy. Izay ny zava-misy ka diso ny tombatombana sy kajikajin’ny kandidà. Hany ka misy tsy miraharaha an-dry zareo.
Tsy azo hadinoina fa karazana motera ara-toekarena ny any amin’ny faritra Melaky. Ao ny solika any Tsimiroro sy i Bemolanga, ny vy ao Soalala… Tokony hampirisika amin’ny fitrandrahana an’izany ny fanjakana. “Tsy fantatray ny sakana hatramin’izao”, hoy ihany izy. Nefa lazaina fa efa hoe mivoaka ny menaka mavesatra. Izay no mahagaga an-dry zareo.
R. Nd.