Hamafisina ny fanofanana ireo mpitantana hotely any Rwanda amin’ny fahaizana mandray mpizahatany. Maro ireo Onivesite sy Ivontoerana mampanantena fari-pahaizana manokana momba ny fandraisam-bahiny. Nambara, ohatra, izay tokony hatao minitra vitsy alohan’ny ora fisakafoana sy fahatongavan’ireo vahiny. Tokony hahalala tsara izay tokony hataony ireo mpandray mpizahatany, hahafantaran’ireo vahiny tsara ny tokony hataony, mba tsy ho diso hevitra izy ireo.
Fanampiana vaovao avy amin’ny FMI no entina ho an’i Egypta, saingy tsy ampy hivoahana anaty krizy. 23 miliara dolara no azon’i Egypta ny faran’ny herinandro lasa teo, fanampiana mandritra ny 7 taona ka ny 3 miliara dolara no trosa amin’izany. Tambiny, ny fanavaozana ny rafitra ampiasan’ny FMI ho an’i Egypta, saingy mbola tsy tanteraka hatramin’izao.
Satria efa mizaka trosabe i Ghana, mifanaraka io firenena io izao amin’ny FMI. Eo ny fisondrotry ny vidim-piainana maherin’ny 40 % sy fitotongan’ny vola any Ghana. Na nahita fifanarahana amin’ny FMI 3 miliara dolara, atao trosa hamenoana ny banga. Efa dobo trosa ireo firenena afrikanina tandrefana, mbola misedra olana ara-toekarena ihany koa ny sasany amin’izy ireo. Antenaina fa tsy hampitombo ny trosany io famatsiam-bola io.
Atahorana hisy akony eo amin’ny fifanakalozana ara-barotry ny OMC (Organisation mondiale du commerce) na Fikambanana ny fifanakalozana ara-barotra eran-tany ny lalàna ary henjana ny fifanakalazona atrehan’ny OMC ny krizy misy. Hatramin’ny 1995, misy hatrany ny tsy ampoizina eo amin’ny varotra iraisam-pirenena, ohatra, eo amin’ny ladoany sy ny fepetra ara-barotra. Mibaribary ny fidiran’i Chine amin’ny OMC ny taona 2001, manafaingana ny fifanakalozana sy tombontsoa ara-toekarena rehetra.