Naneho ny fiaraha-miombona alahelo amin’ireo mpino katolika eto Madagasikara sy ny maneran-tany ny filoha Rajoelina Andry. “Tamin’alahelo lehibe tokoa no nandrenesako fa nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Papa Benoît XVI. Handry am-piadanana anie ny fanahiny”, hoy izy.
Miondrika am-panajana manoloana ny fahalasanan’ny Papa Ray Masina, i Benoît XVI koa ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nampionona ireo mpino ary nirary fiononana feno amin’ireo rehetra nahita soa taminy. “Anisan’izany ny teo amin’ny lafiny ara-panahy sy teo amin’ny lafiny maha-olona”, hoy izy.
Anisan’ireo nobeazin’ny pretra sy ny frera teo anivon’ny sekoly Fo Masin’i Jesoa koa ny filoha nasionalin’ny Monima, Monja Roindefo ka nampita ny fiaraha-miory. “Namolavola ny tena teo amin’ny lafiny fanabeazana izany ka anehoana ny fiaraha-miombona alahelo ho an’ny fanjakan’i Vatikana sy ireo Raiamandreny am-panahy katolika rehetra”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny hisolo tena ny fiangonana katolika eto amintsika hanatrika ny fandevenana an’i Benoît XVI any Roma, ny alakamisy izao, ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny Mgr Raharilamboniaina Fabien.
Synèse R.