Fakafaka: Iza no ho « Mpanakanton’ny taona »?

Tsy ilay fifaninanana na fitsapana ny hevitry ny mpihaino radio na mpijery televiziona akory ny tian-kolazaina eto fa ireo izay hisongadina amin’ity taona vaovao 2023 ity. Iza ireo mpanakanto hahaforona zava-baovao ka hahasarika olona. Tsy voatery ho eo amin’ny tontolon’ny hira irery ihany koa fa rehefa mety ho zavakanto, tokony hahatazanana izay mpanakanton’ny taona 2023 izay avokoa. Tsy tokony hotadiavina ny «Mpanakanton’ny taona» fa asongadin’ny sanganasany eny foana.
Matetika, any amin’ny tontolon’ny hira hatrany no ahatazanana fa misy ny mpanakanto misongadina. Porofo izany fa laharana voalohany eo amin’ny zavakanto ny hira. Ny hafa, tsy tazana loatra na tsy hita mihitsy. Tsy tokony ho tahaka izany hatrany anefa ny zava-misy. Ao, ohatra, asa tanana izay voasokajy ao anatin’ny zavakanto. Saika ahitana «Mpanakanton’ny taona» hatrany izy ireo fa tsy misongadina fotsiny !
Noho izany, mba tsy handeha ila tahaka izany ny fahalalan’ny Malagasy ny atao hoe «zavakanto» (mba tsy ny hira fotsiny ihany), mila manao ezaka goavana ireo mpanakanto any amin’ny sehatra hafa. Anisan’izany ny sokitra, ny sary hosodoko, ny fandrahoan-tsakafo, ny fanaovana asa tanana ho ravaka hoenti-mianjaika, sns. Manana ireo rehetra ireo rahateo ny Malagasy sady ahitana «vokatra» tena tsara sy mampiaiky izay mahita.
…Mba ho tena «Mpanakanton’ny taona» tokoa anie no hisongadina amin’ity 2023 ity. Mpanakanto tsy nodokafana, mpanakanto tsy natosika tamina dokam-barotra amina endrika samihafa, sns. Fa mpanakanto asongadin’ny kanto ataony !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: