Mahita irika ihany! Na teo aza ny fampitandremana nataon’ny polisy tamin’ny alalan’ny kaomanidin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nandritra ny fankalazana ny fety teo. Tsy nisy fiantraikany fa vao mainka nanao ny nataony ny jiolahy tao Toamasina. Nirongatra izay tsiizy, ny asan-jiolahy tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe, Toamasina sy Valpinson, manamorona ny tsena miditra mankany Andranomadio. Ho an’ny fokontanin’Analankinina Hopitalibe, tokantrano telo indray nasesin’ny jiolahy, ny alin’ny zoma hifoha 31 desambra lasa teo. Ireo zava-maneno avokoa ny lasibatra tamin’izany ankoatra ny batteria-n’ny fiara sy moto. Araka ny fitantaran’ireo niharam-boina, teo anelanelan’ny tamin’ny 2 ora hatramin’ny 3 ora maraina no nitrangan’ity vaky trano ity.
Raim-pianakaviana iray tara fodiana no voaendaka hatramin’ny kirarony sy ny patalohany, teo an-tsena ao Valpinson, tamin’io fotoana io ihany. Tsy vitan’ny efa voaendaka fa mbola voadaroka ihany koa. Voalaza fa efa saika nanaraka hatramin’ny ainy, olona hanokatra tsena maraina no nahita azy efa saika tsy nisy aina intsony. Noentin’ireo olona tsara sitrapo namonjy hopitaly avy hatrany izy ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
Sajo/J.C