Faritra Diana: mikatona ny jono Orita

Nanatanteraka ny fidinana ifotony, tany amin’ny fokontany Antanambao, Diana, ny 29 desambra lasa teo ny komity mpanara-maso, “Comité d’Orientation et Suivi” (COS). Araka izany, nisy ny tatitra vitsivitsy natao, ka nilazan’izy ireo tamin’ny mponina fa mikatona ny jono Orita, manomboka ny 1 janoary hatramin’ny 22 martsa 2023. Ary hiverina hikatona indray izany, ny 1 jona hatramin’ny 31 jolay 2023.
Ankoatra izay, toerana anisan’ny nojerena manokana ny ala honko ao Antinteraka. Taorian’izany fitsidihana izany, dia nitohy teny amin’ny fokontany Antanambao An­kerika, ny fihaonana tamin’ny mponina ny.
Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana niarahana tamin’ny DRPEB, izay nanao fanentanana mahakasika ny Icam. Noresahiny tamin’izany, ny fikatonan’ny Jono isan-karazany, ny fanana karatra mpanjono sy ny fametahana marika ny lakana ary fampatsiahivana ny lalàna laharana 053/2015.
Teo koa ny an’ny Ben’ny Tanana, izay niezaka namolavola ny olona, mba hiala amin’ny fomba mahazatra mikasika ireo manao fanjonoana tsy manara-dalàna, ka mba hanao fikobaniana sy jono maha­ritra.
“Efa misy ireo mpanangom-bokatra vonona hametraka trano fampangatsihana sy hanome fiofanana ary hanome fitaovam-panjonoana, toy ny fikambanana Sa­hanala, izay tohanan’ny Te­tikasa Kobaby.” hoy ny Ben’ ny tanàna any an-toerana.
Ny Sahanala, izay nilaza fa vonona ny hiara-hiasa amin’ny fikambanan’ny mpanjono amin’ny famerenana tamberim-bidy, mba hitondra fampandrosoana sy fiarovana ny faritra Kobabiana.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: