Fetin’ny taom-baovao : vola 150 000 Ar mahery no lanin’ny tokantrano iray

Tapitra ny fetin’ny taom-baovao, maro ireo olona hita teny amin’ny toerana fitsangatsanganana, toy ny eny Analakely sy Antaninarenina. Araka ny fanadihadiana na­tao, ny 1 janoary lasa teo, nahatratra 150 000 ar mahery teo no lanin’ny fianakaviana iray nanaovana fety.
Ireo tanora lahy sy vavy no saika hita nameno ny toeram-pivarotana. Raha somary vitsy kosa ireo olona efa lehibe. “Efa ela izahay fianakaviana no tsy nivoaka nitsangatsangana, ka aleo mba hiezaka kely ny hivoaka sy hifety. Efa nanomana vola ma­herin’ny 160 000 ar eo izahay, amin’ity fety ity.” hoy i Claire, renim-pianakaviana.
“Andro iray tsy mitovy amin’ny rehetra ny 1 janoary, ka nisafidy ny hivoaka kely, izaho sy ny olo-tiako. Efa mivoaka foana izahay, fa tamin’ity dia somary nahena ho 155 000 ar ny fandaniana, raha toa ka
185 000 ar no lany tamin’ny 1 janoary 2022.” hoy i Kevin, tovolahy iray.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: