Filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc: “Naka lesona tamin’ny lasa isika ary efa niova…”

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao, teny Faravohitra, ny mpikatroka Tim. Nitodihan’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc tamin’ny lahateniny ny lasa sy ny hiatrehana ny ho avy.

“Naka lesona tamin’ny nitranga ha­tramin’izay isika. Efa niova aho ary mahafantatra ny ataoko. Tsy ho azo ambakaina intsony fa hafa ny toy ny tamin’ny 2018”, hoy izy. Nentaniny ireo mpikambana hampahafantatra ny zava-bita, fony izy nitantana firenena. Nore­sahiny koa ny momba ireo mpikatroka sasany malailay fonosana sy ny disadisa anatiny eo anivon’ny antoko ka nampiverin-dalana azy ireo hanatevina ny Tim amin’izao fotoana izao.
Nanteriny fa mila fanovana aloha ny eo anivon’ny mpikambana ary tsy tokony ho maika amin’ny resaka toerana. Tokony hifampiresaka amin’ireo antoko sy fikambanana hafa mitovy hevitra ma­noloana ny tsy fahaleovantenan’ny HCC sy ny Ceni koa. Niantsoany ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Sadc, Vondrona Afrikani­na, Von­dro­na Eoropeanina ny hijerena izany.

Fanovana ny rafi-panabeazana
Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ara-bola sy ny lafiny fandriampahalemana. Eo koa ny hanitsiana ny la­làm-pifidianana. “To­kony mba miteny ireo antoko te ha­natevin -daharana antsika fa tsy mety ny voka-pifidianana ho avy eo raha izao fomba fi­asan’ny mpitondra izao. To­kony hiaraha-midinika ny so­so-kevitra rehetra”, hoy izy.
Nitakiany asa avy hatrany amin’ireo mpikambana ny fanentanana ny rehetra hiditra anaty lisi-pifidianana, miainga eny anivon’ny fo­kontany.
Etsy andaniny, nambarany fa ilana fanovana ny rafitry ny fanabeazana mba hananganana firenena vanona. Miaraka amin’izany ny fandalana ny soatoavina Malagasy, araka ny nambarany hatrany.
Momba ny fiainam-pirenena, nohitsiny fa tsy mendrika ny Malagasy izao zava-misy izao.
“Tsy misy firaharahiana ny hasina maha olona. Gadraina ireo tsy manan-tsiny…”, hoy izy.
Nanteriny hatrany fa tsy ny mahafaly ny vahoaka no jerena fa ny mahasoa azy.

Miverina andakazery ny mpitandro filaminana
Ankoatra izany, nitodika amin’ny mpitandro filaminana ny tenany ka niantsoany azy ireo hiditra andakazery. Tokony tsy homba ny atsy na ny aroa izy ireo ary tsy tokony hampitahotra ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany. “Mahalala ny farany izahay”, hoy izy.
Nialoha izany, notsiahiviny hatrany fa ilaina ny finoana saingy arahana asa miaraka amin’ny fanantenana izany.
Samy nampanantena ny hanaraka ny toromariky ny filoha mpanorina avokoa ireo nandahan-teny ho fikaroham-bahaolana amin’ny fiainam-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: