Anisan’ny miandry avy hatrany ny “Nonce apostolique” vaovao, ny Mgr Tomasz Grysa ny fametrahana ny mompera Randriamalala Donatien Francis ho evekan’ Ambanja. Hatao ny 15 janoary ho avy izao izany. Efa nigadona, afakomaly, eto Madagasikara, ity solontenan’i Vatikana eto amintsika ity. Mbola hihaona amin’ireo mpitondra fanjakana, tahaka ny fanaon’ireo masoivoho vaovao ny tenany mialoha io fotoana any Ambanja io.
Tsiahivina fa efa nisahana andraikitra maro ny “Nonce apostolique”. Anisan’izany ny nisahanany ny « Délégation apostolique » tao Jerosalema sy Palestine, nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao nanendrena azy hiasa eto amintsika izao.
Mahafehy tenim-pirenena maromaro : Frantsay; Anglisy; Italianina; Rosianina; Espanola sy Portigey ny Mgr Tomasz Grysa.
Synèse R.