“Raha tiana honenana ny tany, ny satany no mila arahina”. Maro ny fomba sy ny fady amin’ny tany sasany no tsy voahaja sy tsy misy intsony. Mbola maro ihany koa anefa ny mbola mipetraka sy voahajan’ny mponina ao aminy.
Nanomboka nampihatra ny fadin-tany isaky ny vohitra manana lemaka misy voly vary. Ny tapaky ny volana desambra 2022 no nanomboka nihatra izy ity. Samy manana ny azy ny isaky ny vohitra fa ny tanjona dia ny ho fiarovana ny voka-bary amin’ny loza voajanahary, indrindra ny havandra. Isan’ny mampihatra izany ny vohitra ao anatin’ny lemak’i Betsimitatatra. Ny lemaka izay isan’ny sompitr’i Madagasikara amin’ny famokarana vary aloha.
“Fahavaloko ny mosary”, hoy Andrianampoinimerina. Ho fiadiana amin’izay indrindra no nanaovany ny lemak’i Betsimitatatra. Ho fiarovana amin’ny loza voajanahary no nahatonga ny olobe hamorona ny fadin-tany ho fiarovana ny voly vary. Ny haintany, ny havandra, ny tsy fisian’ny orana no fahavalon’ny fambolem-bary. Fomba navelan’ny razambe izy io, araka izany. Amin’izao kosa, rehefa miteraka ny vary aloha vao tena mihatra izy ity. Raha ho an’ny faribohitr’Ambohitrimanjaka manokana, isan’ny fady eny mandritra ny fahaterahan’ny vary ny milalao baolina boribory, kanetibe, kanety, manapoaka vato… “Fanotàna fady ny mpanao ody havandra ny fanaovana ireo voalaza ireo. Mety hiteraka firotsahan’ny havandra ka hanimba ny vary, izay teraka, araka izany ny fandikana ny fadin-tany”, hoy ny tompon’andraikitra amn’izany.
Maro ny tsy manaja ny fadin-tany ankehitriny. Antony iray tsy hanajan’ny olona izany ny tsy fahafantarana. Misy kosa ny tsy fanajana tsotra izao, noho ny resaka finoana.
Lin (Mpianatra asa)