Fotodrafitrasa ao Toamasina: efa vita ny ampahany voalohany amin’ny Miami

Miroso ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Anisan’ny efa misongadina ao Toamasina ny fotodrafitrasa hialana voly sy ho an’ny fanatajahantena ary koa ny natokana ho an’ny mpanao asa tanana.

Efa vita ary natao ny alakamisy 29 desambra 2022 teo, ny fandraisana ara-teknika ny ampahany voalohany amin’ny tetikasa Miray hina ary mifankatia (Mi­ami), ao Toamasina. Ani­san’ny tafiditra ao anatin’izany ampahany efa vita izany ny fanatsarana ny morontsiraka eo anelanelan’ny “Pont Hô­pi­tal Be” sy ny “Hôtel Neptu­ne”. Hita amin’izany toerana izany ny kianja filalaovana sy fanaovana fanatanjahantena samihafa. Fa­nao­vana fialantsasatra sy ny toerana fialamboly ary koa ny faritra natao hipetrapetrahana. Ma­hazaka olona maherin’ny 5 000 izany.

Mahatohitra rivodoza…

Manaraka ny fenitra ara-teknika takiana amin’ny fanorenana fotodrafitrasa eny amoron-dranomasina avokoa ny asa rehetra. Nambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard fa ho voaaro tanteraka ireo fanorenana ary afaka mahatohitra ny rivodoza sy ny rivo-mahery hatramin’ny 220 km/h aza. Nitarika ny fandraisana teknika ny fotodrafitrasa tany an-toerana ny tenany tamin’izany, niaraka amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny faritra sy ny ben’ny tanànan’i Toa­masina.
Hapetraka amin’ny faritra hafa koa

Tsiahivina fa nanaomboka ny 17 novambra 2020 ny fa­nombohan’ny tetikasa Mi­ami ary anisan’ny tafiditra ao anatin’ny Veliran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry izany. Tsy hijanona any an-drenivohitry ny faritra Atsi­nanana ny tetikasa tahaka izao fa hapetraka any amin’ny toerana hafa koa izany.

Synèse R.

Partager sur: