Anatin’ny velirano, fampanantenan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, hotokanana afaka enim- bolana ny lalam-pirenena mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. Nandritra ny lahatenin’ny filoha ny faran’ny taona teo, efa miroso tsikelikely amin’ny famitana io lalana io ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. «Hifarana tanteraka amin’ny volana jona 2023 ny asa fanamboarana», hoy ny filoha, ny asabotsy lasa teo. Ampiasain’ny olona an’arivony mivezivezy, indrindra ireo mpitati-bokatra, hampiroborobo fatratra ny toe-karena ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ihany koa ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Natsidiky ny Filoha fa efa velirano nataony ho an’ny mponin’Ambatondrazaka ny fahavitan’io lalana io ka notanany izany teny nomeny izany. Efa miroso eo amin’ny lalana mampitohy an’Amboasary sy Vohidiala ankehitriny ireo orinasa mandray an-tanana ny fanamboarana. Marihina fa nanomboka ny volana jona 2022 ny asa fanavaozana ny lalam-pirenena faha-44 taorian’ny nahazoana ny famatsiana ara-bolan’ny banky iraisam-pirenena. Mitetina 140 tapitrisa dolara io vola io ka natao hanavaozana ny 113 km anatin’ny lalam-pirenena faha-44 sy ny ampahany amin’ny RN12 A.
Tsiferana R.