« Tsy mioiva ireo toromarika efa nomena hatrizay fa ampiana ny capitalisation (fitandroana, fanangonana sy fanohizana ary fanomezana tombon-dahiny ireo tsara rehefa efa vitan’ny zandarimaria nandritra ny vanim-potoana niorenany »,hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé nandritra ny fiarahabana tratry ny taona 2023 niarahany tamin’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN) teny amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy Betongolo omaly. Toy ny fanao isan-taona amin’ny taom-baovao, notanterahina omaly ny lanonana fifampiarahabana sy ny firarian-tsoa ny Seg sy ny COMGN, ny Jly Rakotondrazaka Andry. Ny mpandrindra ankapobeny ireo asa stratejika, ny Jly Rakotobe Christian no nitondra ny tenin’ireo mpiara-miasa rehetra. Amin’ny maha taona vaovao ny andro, nisy ny fanolorana solombodiakoho ho azy ireo sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny SEG. Nankasitraka ny ezaka vitan’ireo mpiara-miasa aminy moa ireto manamboninahitra jeneraly ireto. Niarahaba sy nirary soa ireo olom-peheziny koa izy mirahalahy ireto. “Irariana ny hitohizan’ny asa tsara efa vita hatrizay ary ezahina ny hanarina ireo mbola tsy nahafa-po”.
Jean Claude