Ny varotra ivelany manan-danja lehibe eto Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Firenena maharay harinkarena hatrany amin’ny 49 % , vola miditra avy amin’ny ladoany, hetra sy TVA avy amin’ny fanafarana entana raha ny fahitan’ny Banky iraisam-pirenena azy.
Manana ny toerany ny varotra ivelany eto Madagasikara, firenena maharay ampahany betsaka avy amin’ny ladoany, hetra sy TVA avy amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Mpikambana amin’ny OMC* sy Comesa* i Madagasikara tsy mampisy sakana ny varotra iraisam-pirenena.
Azo aondrana ny vokatra avy eto an-toerana na tsy misy fahazoan-dalana aza, ka ny tena be mpitady aondrana any ivelany ny lavanila, jirofo, nikela, vokatra an-dranomasina sasany, harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, fanafody voajanahary.
Ny firenena tena be mpanafatra ifanakalozana ara-barotra hatreto dia i Chine, Frantsa, Alemaina, Etazonia, Avy any amin’ireo firenena ireo ny ankamaroan’ny vokatra miditra eto Madagasikara. Toy izany koa ny varotra any
amin’ny tsena ivelany. Sahirana ny Nosy noho ny fitaterana sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ka miteraka fahalafosana eo amin’ny karazam-barotra, sy sakana eo amin’ny fifaninanana amina sehatra tsy miankina. Manatombo hatrany ny vola vahiny mivoaka avy amin’ireo entana hafarana, Na izany aza, nahitana tombony ihany ireo entana nalefa any ivelany
Noho izany, kendrena eto Madagasikara ny hanatsarana ny fotodrafitsara eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo. Tsy ny Vondrona eoropeanina (UE) ihany no mpanjifa goavana aty Madagasikara fa eo ihany koa, ohatra, ny firenena aziatika sy Afrika Atsimo.
Ndrina
OMC*:Organisation Mondiale du Commerce
Comesa * : Marché commun de l’Afrique orientale et australe