May ny Bloc 15, Cité Vontovorona: mpianatra 50 traboina tsy manan-kialofana

Nitady vahaolana haingana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho an’ireo mpianatra traboina eny Vontovorona. 50 ireo tsy manan-kialofana ary nomena toerana vonjimaika.

Naniraka avy hatrany ny mpiara-miasa aminy, ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Pr Assou­macou Elia Béatrice, nankeny Vontovorona, nanohana sy nampahery ireo mpianatra may trano. Nitarika ny delegasiona ny sekretera jeneraly, Pr Salava Julien . Nisy ny fifampidinihana tamin’ny mpitantana eny amin’ny Polytechnique sy ireo mpianatra traboina amin’ny hanampiana azy ireo.
Niara-nivory maika ny ekipan’ny minisitera, ESPA , CROUA ary ny mpianatra ka nahafahana nametraka vahaolana amin’ny fampiantranoana ny mpianatra niharam-boina sy ho fiarovana ny entan’izy ireo. Ny “bâtiment polyvalent” no noeritreretina ha­metrahana vonjimaika azy ireo aloha, hoy ny ao amin’ny Crou-A
Niara-niasalahy tamin’ny famonjena voina teny an-toerana ny mpamonjy voina, ny faritra, ny kaominina, ny fokonolona, ny mpiara-miasa ao amin’ny Oniversite, ny mpianatra.
Miantso ny rehetra mba hitandrina, indrindra fa ny fikirakirana herinaratra, izay matetika fototry ny loza, indrindra amin’ireo fotodrafitrasa efa ela niorenana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Nolazain’ny tompon’andraikitra ihany koa fa ny fitondram-panjakana ankehitriny dia efa miroso amin’ny fanorenana toeram-ponenana vaovao ho an’ny mpianatra hisorohana ny tranga toy izao.
Marihina fa may, omaly tokony ho tamin’ny 5 ora maraina teo, ny “bloc 15”, Cité Vontovorona. Anisan’ny tena voa mafy ny rihana ambony ka ny efitra valo no tsy nisy azo noraisina intsony.
Tafavoaka ara-potoana kosa ny entan’ireo mpianatra izay mipetraka ao ambany rihana. Mpianatra manodidina ny 50 eo, araka izany, no traboina vokatr’izao haintrano izao.
Araka ny tombana nataon’ny “électriciens” ao amin’ny Crou-A dia “court-circuit” no nitarika ny firehetana.

Tatiana A

Partager sur: